INY (Mampionona)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY!

Iny diampeniko iny no entiko manoratra, ireo vetsovetsompoko;
Iny penina iny no no solon'ny angadiko, entiko miasa;
iny taratasy iny no tany fiasako, rehefa injay miasa aho;
Iny soratro iny no bainga voavadika, ho solom-pamatarana.

Iny ora iny no entiko mamantatra,ireo andro mbola ho avy;
Iny andro iny no hibanjinako ny ho avy, ny sisa mba hiainako;
Iny volana iny no manamarika ahy, fa mandroso izany taonako;
Iny taona iny no entiko mitia, anao lalandava.

...

Iny orana iny no latsaka an-tany, no lasa rano an-tendrombohitra;
iny rano iny no misosa moramora,no lasa renirano;
Iny ranomasina iny no tsofin-drivotra mafana, no miakatra ho rahona;
Iny rahona iny no mivangongo mba hitambatra, ho lasa orana indray.

Iny...

R.A.H. (Mampionona)
--------
Rohy:
932 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mampionona
Nampiditra : ra_hery
Daty : 27/06/2014 08:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136