Ampidiro aloha ny tenimiafina
Mafy.. (Mampionona)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mafy...Raha miaina ianao,
dia ahatsiaro ny alahelo
izay atosaky ny tany.
aminavina samirery,
ny amafin'ny fiainana.
Ilaza ianao indray andro any,
fa hoe: mafy anie ny ienjehana
amin'izany tsy fananana ...
sy ireo famavomavoana...
ka mampitroatra, ... mampahatezitra.
Iza ary no sahy ilaza,
fa hoe: tsy mba mafy ny fiainana?
Na sahy miteny ampahi-bemaso
ny fiadanana iainany?
Mafy, mafy hoy aho aminao
ny mitalaho,miandrandra
ka mivavaka eny foana
miandry izay fotoana.
....
Mafy
R.A.H (Mampionona)
--------
Lien:
