Fahaleovan-tena (Mampionona)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahaleovan-tena

Dimapolo taona lasa izay
no nitomany i MADAGASIKARA
Niady mafy, niandrandra
nibadabada tamin'ny teny.
Toa nanangom-panafahana
ka nitolom-pandresena
namoy ny aina, latsa-drĂ 
ireo mpitolom-pahaleovan-tena.

Dia nisosa teny ny taona
nisosa mora teny foana;
Nandalo sedra maromaro
toe-tsaina mifangaro.
Toa nivady ny rasa,
ka lasa maro ireo tsy an'asa?
noho ny fitiavan-tenan'ny hafa
kolotsaina samihafa.

Ankehitriny aiza h' aiza ?
ry Malagasy tia vao
toa mbola saritsarim-pahaleovan-tena
no iainana am'zao.
FAHALEOVAN-TENA, dradradradraina
tanisaina vao maraina
nefa maro ireo mitaraina
miady mafy ny anohanana
tsy manan'asa; tsy misy farany.
Raha halalinina ny saina
toa very kolotsaina,
raha jerena ny tenin-dreny
toa miisa telo ireny :
Malagasy, Frantsay, Anglisy
tsy vazaha, tsy gasy na metisy.

R.A.H (Mampionona)
--------
Rohy:
1135 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Mampionona
Nampiditra : ra_hery
Daty : 01/07/2010 07:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
Tononkalo hafa
INY
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014