Raha mbola (ABS)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola mijeryka mamindra hery
hampitsiry fitia ireo masoko ireo
dia Fitiavako anao
hahasambatra anao
Ka raha mbola hitepo
sy hisefosefo
ny any an-tratrako any
dia hidobodobo-pitiavana mamy
ho anao irery ihany
Rah mbola hisento
sy hahatsiarotsiaro
ireo lasa efa maro,
ny tantarantsika tsy ho afaka antsaiko
lay ando'ny aiko
--------
Rohy: