Taratasy ho anao (ABS)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ando a,

Aty an-tany lavitra aho
Manoratra ho anao
Amin’izao ora izao
Tsy haiko amin’ny firy
Fa ny alina mamirifiry…
Ny feon’angely any ho any
Sisa miara-mitomany
Amiko Rahavako…

Any izay Ianao…
Ianao nararirary
Asa raha efa salama
Izaho aty dia tsy tamana
Fa ny saiko
Ange ry Aiko
Ka manjohy anao hatrany
Any an-tany lavitra any…

Ary ny fianaranao
Manakory izy izao ?
Inoako mandeha tsara…
Tohizo ry Malala
Fa io no ho avintsika !
Iriako Ianao mba ho tafita…

Sy ny sisa mba ahoana ?
Efa tsy andry ny fotoana e ?
Fa isaisaina foana
Hoe firy andro no tavela,
Kely sisa nefa ela…

Ohatra ny hitako eto ianao
Mitanisa lava izao
Ilay anarako tsy foy
Tohizanao « Malala » …

Izay iky no mba voasoratro
Mandrapihaona ry Malala
Inona no tianao
Ho entina ho anao ?
Ireo sangisangintsika
Tsy mety mangatsiaka ?
Sa oroka mafana
Hampody fahasalamana ?
--------
Rohy:
2483 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ABS
Nampiditra : sentosento
Daty : 11/05/2012 11:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0461