You are here: home > Vetso

Mena - ABS

Azo vakiana?

Ny hamenan’iny lanitra mitohy any ho any
Mampatsiaro ireo hariva fiarahanay mitosy
Lavitra azy mantsy izaho ka toa zary mitomany
Fa efa zatra tambitamby tao anaty rotsirotsy

Mena toa an’iny ilay akanjo izay nanaovany
Mena toa an’iny ireo molony fanoroko
Mena toa an’iny : fidorehitr’i Fitiavany
Onena toa an’iny izy niantsampy teo an-tsoroko

Dia menan-dranomaso ny maso lavi-tiana
Ory lalandava sy verivery saina
Fa rahampitso kosa ho menan-kafaliana
Ho tojo ilay Malala, ho tojon’Andon’aina

Hevitra mandeha

Laaris (07/08/2012 06:39:27)

sod mena ko n anarany.sa izy l mena ambonin'ny mena?

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ABS

Nampiditra : sentosento
Daty : 11/05/2012
Mpamangy : 1117
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tsikinao...
Ando
Tsy tonga ianao...
Domelina
Tsikinao
Asa
Elanelan-tany
Topimaso
Taratasy ho anao
Lakolosy