You are here: home > Vetso

Elanelan-tany - ABS

Azo vakiana?

Alahady toy ny androany, amin‘ny ora tahaka izao
No anjara fanomeny ahy mba hahitako anao
Na hahita anao fotsiny ihany aza, iray segondra monja
Dia tsy tsapan‘ny fitiavako ho zavatra mafonja

Saingy kosa ilay androany hafa nefa Alahady
Fa izay zavatra jereko, foana sy mangadihady
Na tandindondindon‘aloka fotsiny ihany
Lasanao tsy namelàna any, an-tany lavitra any

Asa ny any ho any raha mba misy tsapanao
Ny masoko, ny foko , ny senton‘ny ora tahaka izao
Na ny elanelan-tany aza te ho alahady vaovao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ABS

Nampiditra : sentosento
Daty : 11/05/2012
Mpamangy : 1953
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tsikinao...
Ando
Tsy tonga ianao...
Domelina
Tsikinao
Asa
Topimaso
Taratasy ho anao
Mena
Lakolosy