You are here: home > Vetso

Lakolosy - ABS

Azo vakiana?

Rehefa mipaika ny feon-dakolosy
Dia mientana koa ny fitepon’ny foko
Fa ho avy ilay oran’ny mitositosy
Fiarahantsika midera ny Tompo

Feon-dakolosy manaitra ny saina
Mampidobodoboka ny atin’ny tratra
Fa minitra vitsy sisa no isaina
Dia hiara-hihira ny antema sy tsanta

Ny feon-dakolosy ka satriko foana
Ho ny ora rehetra amin’ny fiainantsika
Mba ho lalandava tokoa ny fotoana
Itsahoana Ilay Nampitambatra antsika

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : ABS

Nampiditra : sentosento
Daty : 11/05/2012
Mpamangy : 946
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Tsikinao...
Ando
Tsy tonga ianao...
Domelina
Tsikinao
Asa
Elanelan-tany
Topimaso
Taratasy ho anao
Mena