Poeta iza moa ianao? - aft
Ianao ilay tsy mba nino afa-tsy tontolo
nofisin-tononkalo
ianao ilay tsy nitia afa-tsy ny olona
voarindra an-tononkalo
ianao ilay nitsiky anaty fahoriana
ianao ilay nitomany anoloan'ny fifaliana
ianao ilay nanantena anaty hakiviana
ianao ilay mora ketraka raha tojo valim-bavaka
ianao ilay hafahafa
ianao adaladala
Hevitra mandeha
yonikafopl (08/09/2004 19:54:41)
fatou, dia izay ve no fiheveranao ny poeta?????
fatou (14/09/2004 14:42:51)
tsy haiko fa an'izany aft izany io(hitako tato ambovo fotsiny)
sejianis (06/09/2005 12:06:04)
adala ny mpanoratra
kanefa adala manan-tsaina
fa manoratra tontolo tsy hain'ny hafa hovisaina
Mombamomba
Mpanoratra : aft
Nampiditra : fatouDaty : 08/09/2004
Mpamangy : 1763
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
AIZA HO AIZASatria
Mitsikia
Tsiro
Poeta,iza moa ianao?