Izao ny hafany hono hoe… (Aingankalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola ho adinony hono ianao hoe, indray andro any ...
Ireo ranomasony hono hoe mbola ho maina eny ihany ...
Ireo tsiky natakalonao tomany mbola himpody arivo indray ..
Eny!!!!...ampahafantaro azy, mbola ho sitrana izy hoe...

Fa notiaviny hono ianao hoe, tamin’ny fony mantolo...
Ny mamy teny anaminy hono, efa nomeny anao daholo…
Fa ny aminao rehetra, tsy hiverenany intsony… efa nafoiny,
Eny!!!!! … izy hono tsy hitodi-doha ho anao intsony…

Ny fara hafany hono hoe, ... Veloma mandrampihaona…
Misaotra anao nandratra hono... tsy hanenena izay vita…
Rehefa indray andro any, raha hifanojo indray ny lalantsika…
Dia aza mijanona akory… ataovy toy ny tsy hita…

09/03/2024 - 19/07/2024
--------
Rohy:
183 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aingankalo
Nampiditra : MikaloAina
Daty : 09/09/2024 12:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143