Mitsiky, mitraka, miatrika (Aingankalo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety hoe vava latsaka tanaty rihatr'hatezerana,
Na koa vava tsy ambina, tsy tamim-piheverana,
Kanefa... Nirakitra... Toa Antsibe nanetry,
Nanindrona... Nandrirotra ilay feriko.

Tsaroina foana ireny, teny mafy, miaro latsa!!!
Maneloelo ireny, mandindondindona tsy mety ho lasa!
Ny hany heriko mitsiky, mitraka dia miatrika,
Tsy ahitanao ny ngidy, ilay voaly mainty nandrakotra!

Fa kosa...
Ny fandrinako efa kotsa...

Rehefa anaty alin'iny, ka mangina izao tontolo izao,
Ny saiko adala tsy matory, mitanisa, mamisavisa...
Rehefa iny orambatravatra, mikotrokotroka fahavaratra,
Injao manararaotra, ilay masoko mitroatra, rotsaka tomany.

Nitolefika aho dia lavo, dia tsy tafarina intsony intsony!!!!!
Mitsiky, miatrika, mitraka, no hany sisa ambeti-teny.
Mihirahira aho isan'andro, hanakomana ilay fery:
Aleo izao ihany, ny efa ao aza te hiala, efa laony!

21/07/2024 22:31
--------
Rohy:
130 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Aingankalo
Nampiditra : MikaloAina
Daty : 09/09/2024 12:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0883