You are here: home > Vetso

HAFATRA FARANY - AJHA

Azo vakiana?

Mbola azoko atao ve ny hiantso anao hoe tiako
Mba hilazako ny manahirana ahy?
Mba rahoviana no ho tanteraka ilay faniriako
Hamborahako aminao ireo rehetra mampanahy

Tiako ianao saingy misy mampiahiahy
Fa efa lasan'olona lasany rahatrizay
Azy ianao fa tsy ho ahy
Ary ho azy irery ihany mandrakizay

Isaorako ianao namboraka ilay fitia
Izay tsy nihafahafa tamiko akory
Ny fitiavanao ahy no nantenaiko ho doria
Kinanjo, indrisy nilofika natory

Ny hany holazaiko anao
Mba tehirizo ao am-ponao ao
Ny fitiavako sy ny fitiavanao
dia izy no tiavo sy hajao

03/06/03


Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

andry 1000 (25/04/2015 06:20:19)

ho an'i AJHA jereo ny tonokaloko fa efa novaliako any ho setrin'ity tonokalonao ity " MIVILIA "

Mombamomba

Mpanoratra : AJHA


Nampiditra : pisokelinah
Daty : 28/08/2010
Mpamangy : 1590
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TSIKY FOLO
LAVITRA ANAO RY MALALA
HAFANY
FIAINANA