LAVITRA ANAO RY MALALA - AJHA
Azo vakiana?
Ny eritreritro tsy mety mijanona
Ny alahelo indraindray mahafanina
Ny tena irery ka toy ny any an'ala
Fa lavitra anao ry malala
Ny torimaso tsy mety ho tonga
zany fo toa midoboka amponga
Ny fahasorenana tsy mety miala
Fa lavitra anao ry malala
Te hitory fitia aho fa tsy afaka
Ny elanelantany no mbola mampisaraka
Rahoviana re f'efa tsy andriko
Lay andro hamihinako anao eto an-tsandriko
ny taratasy dia toy ny gazety
Ny veloma ato vetivety
Zany tenany anefa mahalala
fa lavitra anao ry malala
Nony farany mandraiky marary
Tsy anavahany na lahy na vavy
Irony lanjany mihena sy miala
fa lavitra anao ry malala
Hevitra mandeha
Soarilala (28/08/2010 19:57:48)
Mbola ho avy ny fotoana, ka hifankahita indray, efa tsy andriko foana, ny hifamihinanay
pisokelinah (06/10/2010 13:07:03)
marina zany e!!!!andrasana eto iany na ho ela na ho haingana
Mombamomba
Mpanoratra : AJHA

Nampiditra : pisokelinah
Daty : 28/08/2010
Mpamangy : 2482
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSIKY FOLOHAFATRA FARANY
HAFANY
FIAINANA