FIAINANA - AJHA
Azo vakiana?
Nahoana no dia masiaka loatra ianao ry fiainana?
Izaho fanina tsy mahita hitarainana
Mivezivezy etsy sy eroa
Mba hikaroka izay kely mahasoa
Fiainana toa midika endrim-pijaliana
Ny tany indray toa toeram-pitomaniana
Be loatra ny ankaso
Ka mahalatsa-dranomaso
Toa tsy ahitana fahasamabarana
Vao mainka aza mitombo ny fahasahiranana
Ireny rehetra ireny no mamparary an-doha
Fanampin'izany ny aretim-po
Ady hatrany ny fiainana
Nefa tsy misy hitarainana
Izay tsy mioitra ihany no resy
F'izay mahitahita mivoaka ho mpandresy!!!
Hevitra mandeha
pisokelinah (28/08/2010 08:25:24)
Soarilala (09/10/2010 08:42:41)
Aza kivy e! Izay ilay fiainana!
andry 1000 (25/04/2015 05:43:56)
aza manaiky resy tsy miady izany e!!
fa mbola hisy ny maraina
dia ho foana ny taraina
fa tsy ianao ihany
no tojo tahaka izany..........korazy pisokelinah a!
Mombamomba
Mpanoratra : AJHA

Nampiditra : pisokelinah
Daty : 28/08/2010
Mpamangy : 1974
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
TSIKY FOLOLAVITRA ANAO RY MALALA
HAFATRA FARANY
HAFANY