TSIKY FOLO - AJHA
Azo vakiana?
Misy tsiky akasoka atafy ny fo izay mijaly
Misy ny tsiky taratra avoakan'ny fo falifaly
Misy ny tsiky lamba isaloran'ny fo misoloky
Misy ny tsiky angolan'ny fo mahatoky
Misy ny tsiky irina hivimbina fanantenana
Misy ny tsiky mifono hasambarana mbola hinoana
Misy ny tsiky mampionona fo malahelo
Misy ny tsiky ampahatsiarovana tsiambarantelo
Misy ny tsiky velona an-tava mba hanary dia
Nefa koa misy ny tsiky asolo teny milaza FITIA
Hevitra mandeha
pisokelinah (01/09/2010 08:49:37)
une sourire ne coute rien mais produit beaucoup!!!!!!!
pisokelinah (01/09/2010 08:50:14)
une sourire ne coute rien mais produit beaucoup!!!!!!!
andry 1000 (25/04/2015 05:30:35)
Mombamomba
Mpanoratra : AJHA

Nampiditra : pisokelinah
Daty : 01/09/2010
Mpamangy : 2345
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
LAVITRA ANAO RY MALALAHAFATRA FARANY
HAFANY
FIAINANA