Fotoana maminao (aladin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fotoana Maminao,

tsy ho adinoko rahoviana
izao fihaonatsika izao
fa mitondra fifaliana
ho ahy sy ho anao

Nifampijery isika roa,
samy tsy nifampiteny
kanefa anie ny tao am-po
toa efa hita soritra eny

dia nakipiko ny masoko
hankafizako anao
fa izay tao an-tsaiko tao
tsy voavinavinanao
safononoka fitia
finaritra sy mankafy.

Ny Anjara / Ny Eja 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1748 2
Hevitra mandeha
bichette ( 18/08/2004 09:24)
mahafinaritra tokoa
NyKanto ( 19/08/2004 08:08)
Mahafaly beeeeee!... indrindra tena faly be aho ho an'i S.E.
Pi-maso miampy tsiky.

Ny Kanto.
NyKanto ( 19/08/2004 09:12)
Omeko isa dimy mba hijanona ela eto.... dia miangavy ireo namana mba hitazona ity tononkalo ity ho lohalaharana.

Ny Kanto.
jogla ( 19/08/2004 12:03)
"Izany isika nifanena
Toy ny tao SAHA-EDENA
nifampitsiky sy nihomehy
nifanoroka elabe

R.JO

inoako fa tsy maintsy io no niafarany!
nyeja ( 07/09/2004 08:10)
hihihi tsara be ilay fanehoan-kevitra e
Ny Eja
horoka ( 24/09/2004 20:41)
Tafahoana ny samy andrarezina an!!Ny eja mpamoron-kira ikoizana de i aladin kosa ilay andrarezina eto @ namana sy ny vetso.serasera!
mazotoa e!
aladin ( 24/09/2004 20:45)
eeee!!! aza manala eo kousa e!!!hihihihi
Malalason ( 10/10/2004 12:34)
hita fa marina kosa zany de mody ganagana eo ndray an ho ho ho ho
aladin ( 12/10/2004 21:29)
kaiiyy!!
crrlanto ( 19/11/2004 20:59)
salut
tsara be ny famolahanao ny teny eto.Hainao tsara ny mampisongadina ilay tao am_po nao miafina ,toa hiainan,ny mpifankatia rehetra.
Mahereza e , hoy ny mpiara miasa aminao
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : aladin
Nampiditra : aladin
Daty : 16/08/2004 15:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151