Tiako ianao !! (aladin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ianao,

N. ... a, tiako ianao
tsy fitia an-tendro molotra
fa faniriana am-poko ao
ny hiara dalana aminao,
indraindray aho manontany tena
harena ve no omena ?

tsy porofo anefa izany
satria ho foana sy ho lany .
Ny toky teny tsara lahatra
mety ho lefy sy hitsahatra

Ny sarobidy indrindra angamba
omeko tsy mihambahamba
"ity ny foko tia anao, honeno f'efa babonao".

ka tambitamby teny mamy
hanitra mamerovero
ilay paradisa ho anao ihany
ka saino kely sy hevero .

Ny tsikiko no masoandro
hanjoy hatrany tsy mandao
safosafo sy orokoroka
handravaka eny rehetra eny
ilay toerana hoforoniko
zay tena paradisa kely

ny fitiavako madio
fanalahidy hidirana ao
koloy tsara sy kajio
"ilay sarobidiko ho anao "

(atolotro an'i N... ity tononkalo ity .)
Ny Anjara ( aout 2004)
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
11813 6
Hevitra mandeha
bichette ( 19/08/2004 08:39)
ankafiziko ny tononkalonao, mahereza manoratra !
nyeja ( 28/08/2004 12:02)
tiako be!
Ny Eja
tsarfanah ( 04/09/2004 17:33)
tsara letsy a sambatra izay omenao io tononkalo io an
tsra fa tohizo
horoka ( 17/09/2004 06:34)
tsara dia tsara e!medrika oroka mamy be ianao ry aladin!hihihi
aladin ( 17/09/2004 06:50)
sôtsa eee! hihihi!
.....am-pitiavana be
Malalason ( 17/09/2004 08:24)
milay kah saingy mba tohizo le N e! sa hotohizako hoe : Ny ????
rehefa mihaona isika dia lazaiko ny tohiny raha marina, mahavita be r'ise a
RJO
raozylisy ( 02/10/2004 17:34)
tsara e! sambatra izy misy mitia toy izany.na ny ainao aza angamba mety afoinao ho azy!
misaotra @ lay tonokalo e!
nyeja ( 08/11/2004 18:49)
izany ve ry raozilisy ??? marina tokoa aloha e , tena sambatra mihintsy an !
Ny Eja
Malalason ( 17/11/2004 08:04)
ekany tokoa tena mihoatra ny tao SAHA EDENA mihitsy
R. JO
yonikafopl ( 18/11/2004 22:03)
tena sambatra marina i N. ... ry raozilisy o!!! .ny eja za manohana ny fahamarinan'io ka!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : aladin
Nampiditra : aladin
Daty : 16/08/2004 17:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142