"Indray fahavaratra..." - al'fy
"Indray fahavaratra..."
Iny lalana iny sy izay teny imorony;
No vavolombelon'ny fitia izay natolony,
Ny tanako efa mando nandrazona ny sorony,
Ny molotro naniry ny hitohaka ny molony...
Izy 'lay nangina, izaho 'lay tsy niteny,
Ireo fanahinay no niainga teny ho eny,
Ny doboky ny foko, angamba efa reny,
Ny tavany mirana, no nifantohako fijery...
Fa ny orana nikija nanda ny fitsaharana...
Ny tongotro namindra tsy nahatsapa asasarana...
Ny hatsika namonto, natao ho fahasambarana,
Tsy nosainina ho aretina, efa am-baravarana...
Tsy lakana intsony aho fa botry... hoy ny feony;
Mbola ho any angaha indry... hoy ny namany...
Nomeny elo aho, ary akanjo ba...
Iny koa no farany......
Indray fahavaratra!
"AL'FY"
Mombamomba
Mpanoratra : al'fy
Nampiditra : al'fyDaty : 21/08/2019
Mpamangy : 269
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Fermer Hasinavalona FtsnFY MIHAR ITRA KIADY Fy
Tsy mety fantany ilay van
"Tadidiny ihany..." Nata
SATRIA... Satria misy sa
MBA
eny
izao angamba no fotoana f
Fara vavaka
"FANAZARANA NY FO"