MBA (al'fy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
"MBA..."

Mba nindramiko 'lay lalana nodiaviny iny;
Hamantarako ny misiny, izay nafeniny ahy...
Niniako nokosehina ny lasanay fahiny;
Hanomezako sehatra ny anion'ny ahiahy....

Mba nolazaiko tsotra izay voatahiry tanatiko,
Tsy nanomezam-baliny, fa niavonany aza...
Ho vonoiko amin'inona ity afo tsy matiko;
Ho soloiko inona, fa nataony tsy sahaza!

Mba.... aoka sao hampiady!

"Al'fy"
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana
442 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0643