Adala (Amby Ventso)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Naniry mafy anao ho malala
Na izaho mihitsy no efa adala
Talohan'ny nitiavako anao,
Ka dia tsy nahalala
Tsy nahita akory hoe
Misy tsy azoko aleha
Fa nitsiako tsotr'izao
Satria izaho tia anao!
Ka ity tantara ity,
Misy tia ka toa adala
Dia misy adala mahay mitia.
Tsy mitovy tsy sahala
Fa ny iray entim-po,
ny iray taritin-tsaina
Izay angamba moa,
raha toa ka hazavaina.
--------
Rohy:
779 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Amby Ventso
Nampiditra : Niainahasina
Daty : 27/08/2020 14:18
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103