Ankamantatra (Amby Ventso)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toy ny andro vao misandratra
Takoman-drahon-tsy fantatra
Toa ela vao hisava
Mitondra oran-dava
Nanakotsa tsy voafehiko
Ny laingon'ny tarehiko

Fa tsy natao hitambatra
Tsy hahavita hangalatra
Nefa nifampitsinjo
Fa ny lahatra no indro
Vato iray nibahana
Namingana hasambarana

Tsy misy ny ho lafatra
Fa fo tsy hiara-hisambatra
Nefa mifankatia
Tanteraka ho doria
Ny ankamantatry ny ampitso
No hamaritra izay diso.
--------
Rohy:
726 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Amby Ventso
Nampiditra : Niainahasina
Daty : 27/08/2020 14:13
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154