Tokoa ve? - Amby Ventso
Efa saika dila, maty sy rendrika
Ny jiro fanilon'ny fanantenako
Efa saika hadinoko hatramin'ny endrik'
Ilay malalan'ny fihantahantako
Kanjo tsy reko, tsy tandriko akory
Niako niverina tsimoramora
Nisy rivo-mahery nanaitra mpatory
Nikisaka indray ny famantaran'ora
Dia nitohy tsy niato nanomboka teo
Ilay tantara efa saiky tapitra
Lasa ny saiko hoe izay zava-miseho
Tokoa ve moa efa vita rafitra?
Mombamomba
Mpanoratra : Amby Ventso

Nampiditra : Niainahasina
Daty : 27/08/2020
Mpamangy : 362
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
AdalaAnkamantatra
Taratasy ho an-dRafahatsiarovana
Tavela