HAFATRA (Amjra Praise)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATRA

Manoratra hoanao anio ilay zandry tena tiana
Sakaiza notinefinao ahay andanjalanja
'lay notinaizanao ahay hifaly am-pahoriana,
Ilay nozarinao hamiratr' eny ambony kianja.

Ilay nahitsinao raha sendra ka nibilabila
Nareninao tsy hianjera, notohananao tsy ho lavo,
Ianao ilay mahay fa tsy mba namilafila
Tsy mba nanilikilika ireo zandrikely mavo.

Niarahana nandrapaka ny manta sy ny masaka,
Niarahana nigoka ny mangidy sy ny mamy,
Nifanotronantsika ireo fotoana tena niavaka
Dia niara-nikarenjy sy niantsa tany hoany.

Niara-nalahelo sy niara-tsy tafandry
Raha sendra tsy nahomby aloha fa kosa efa nekena,
Tsy misy kivikivy, mbola eto samy miandry
Samy manantena mbola hibata fandresena.

Na aza aho tsy any intsony, tsy akory fanahiana
F'efa zotran-dalam-piainana, nekena na tsy satry,
Fa any kosa andro, mbola hiaona ampifaliana
Lazaiko dien'izay mba hiomanana sahady.

RN ALPHA
--------
Rohy:
41 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Amjra Praise
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 29/09/2024 09:52
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158