REDIREDI-TSAINA (Amjra Praise)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REDIREDIN-TSAINA

Diso ianao sakaiza
raha nilaza hatraiza hatraiza
hoe ny soratro sy teny
dia fiainako izy ireny

diso ianao ry akama
raha nanely eto antanĂ na
ny fananako safira
mantsy mba naheno tao anaty tononkira

hoe: zah manankarena,
zah ilay tompombolamena.
Dia nino koa leity....
misaotra anao aloa mankafy e!

Fa atsidiko ihany ity
hoe tsy fiainako leity
fa angamba rediredintsaina
ihany ireny tantaraina

mantsy sao mitetitetika
ny hamono sy hanendaka
raha lasa heritreritra
fa toa matetitetikah


aho no lasa mpanarivo ao anaty tononkalo.
Hiasa indray Ramalagasy ka hitsangana ho fahavalo.
Kanefa raha izany, dia aza manantena mihitsy
fa tsy misy raha ny aty, tsisy leity a, tsisy

fa hatsidiko ihany ty
hoe tsy fiainako leity,
fa angamba rediredin-tsaina
ihany ireny tantaraina

Amjra Praise
--------
Rohy:
95 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Amjra Praise
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 05/02/2024 13:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146