IREO VEHIVAVY (Amjra Praise)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IREO VEHIVAVY

aiko ianao fa bandy
nefa mba mianara ihany
hoy aho manaja ireo vehivavy

mantsy ianao ty toa miridana
tsy tana intsony koa
ka mahonena ilay mba ravaka
fa lasa very zo

haiko ianao fa bady
fa kosa ireo vehivavy
dia tsy sanatria famelaka
fa ireo fanambitamby

io no vonikazo
izay mandravaka tanĂ na
dia azavela halazo
f'io koa no fahazavana

ahatonga anao tsy hiraparapa
ao anaty haizi-kitroky
ny nenina sy latsa
ary fitaka mandifotra

ka manomboka androany
dia meteza ianao hiova
sy hanaja ireo vehivavy
fa ireo no tena lova

mety, angamba ianao
hoe tsy manana anabavy
fa kosa manandreny
izay niteraka nibaby

ka natonga olom-banona
nikiry nanabe, nampitafy sy nampianatra
izy na dia hoe mahantra
dia nanao izay mba takatra

mba anamporofony
hoe hafa ihany ny vehivavy
hafa ihany hoy aho ny fony.
Eny haiko ianao fa bandy

fa aza atao ho setriny ny ditra sy rongony
fa mendrika azy ny haja
hajao ireo mba zony
f'ianao no ao ampony

fa tsy akory ianao raha loany
dia hibitaka, etsy indray
hitratrevatreva eroa
ka hampitondra izay mahamay.

AMJRA PRAISE
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
290 4
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Amjra Praise
Nampiditra : AmjraPraise
Daty : 16/03/2024 20:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142