Tia ahy Ianao (An-JARA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tompo Ray malala รด
izaho mahalala
fa tia ahy Ianao

kanefa...
ampio aho hivoatra
tsy hanararaotra
ilay fitiavanao
fa mba hiezaka isanandro
hanaja sy hitandro
ireo fahasoavanao
atolotrao ahy

raha toa aho irery
arovy mba tsy ho very
raha toa maniasia
arovy tsy hania
fa
mba hitoky lalandava
amin'ny fitantananao
raha sendra ady sarotra
herezo hahay hiaritra
ireo sedra izay misetra
ka ny tenako rehetra
anie ho feno ny herinao

raha sendra fitsapana
ny herinao no hitana
ny finoako tsy ho very
hanampy ahy hioitra
hamaly sy hanohitra
ireo fakam-panahy
mikasa hisarika ahy!
--------
Rohy:
1985 3
Hevitra mandeha
mimi12 ( 16/07/2012 07:06)
amen
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : An-JARA
Nampiditra : tsiou1482
Daty : 06/07/2012 11:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096