Tiako tsotra izao (An-JARA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko aloha izay antony
manosika ny foko
hanambara tsotra izao
fa izaho dia tia anao.

Tsy fantatro izay hery
niafina sy niery
nibosesika nisoko
namadika ity lelako
hilaza sy hanambara
fa hoe tiako ianao

Tsy fantatro izay antony
fa dia tena tiako ianao
TIAKO TSOTRA IZAO !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1834 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : An-JARA
Nampiditra : tsiou1482
Daty : 05/07/2012 05:19
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0391