You are here: home > Vetso

FANANTENAKO - ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona

Mino aho Tompo O!
Fa ireo fahotana maro izay vitako
Ho fafanao madio tsy ho hitako
Ka ireo lasako izay tena nahamenatra
Indro voadio ka tsy nampitsanga-menatra

Matoky aho Tompo O!
Fa ny fiainanay manomboka izao
Tsy hiala lavitra fa eo antananao
Ka na ho fifaliana, na koa tomany.
Dia miara-mandeha Aminao hatrany.

Manantena aho Tompo O!
Fa any andro mbola tsy fantatra.
Tsy voafaritra fa tena ankamantatra.
Manantena izahay ry Jesoa be fitia.
Fa hiaraka Aminao Mandrakizay Doria.

Sokajy : fanantenana, Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona

Nampiditra : Hasinamanambina
Daty : 02/10/2021
Mpamangy : 237
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

Lisitra faha-3
Mba henoy ry Ray
Ho anareo zanako
Any andro iray
FISAORANA