Mba henoy ry Ray (ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba henoy ry Ray


Isaorako anao ry Ray, ny nivimbinanao ny tenako
Ka nahatratra indray ilay andro tsingeritaonako
Raha ny ota vitako dia tena tsy mendrika izany
Fa Ianao ilay Ray namela namindra fo hatrany
Koa ifonako eto anio, ireo heloka be zay vitako
Hiezahako hatrany hanary ireo karazan-ditrako
Ka mba omeo ilay finoana izay mahery vaika
Mba tsy hangozohozo fa hitoetra ho lalipaka
Ho entiko miady handreseko fankam-panahy
Izay tsy mitsahatra fa manao izay handavo ahy
Ny fiainanay ry Tompo mba tahio sy tsinjovy
Ny vady aman-janako , iriko mba tantano sy arovy
Raha sendra ka mafy ny manjo, aza avelanao irery
Mba tariho lalana izy f’aza avela hiady irery
Ny fianakaviana sy namana izay miaritra ny mafy
Raha sitrakao tolory hery sy finoana, ho ataony fitafy
Ary ny tanindrazanay izay mandalo lalan-tsarotra
Tompo o! Tsofirano ho tafitasoa, hiadana sy ho finaritra
Dia tononiko hatrany izany amin’ny anaranao
Ry ANDRIAMANITRA RAY BE FITIA!
Raiso ny fivavako aminao!AMEN!
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka
1162 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona
Nampiditra : hasinamanambina
Daty : 08/05/2015 08:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101