Ho anareo zanako (ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anareo zanako

Mbola kely ianareo ka izao no tsarovy
Mbola lavitra ny lalana izay mbola ho diavina
Ka ireo fiainanareo no ambeno sy tandrovy
Ho todisoa amin'ireo tanjona iriana sy tiavina

I Dada sy Neny tsy ho eo anilanareo foana
Fa misy fandaharana izay efa voalahatra
Mety handeha aloha fa mbola miandry fotoana
Fahendrena natorony izay no ataovy mba ho filamatra

Maro ireo karaza-pingana misy eny andalana
Betsaka ireo sampanana eny antenatenany
Fadio dia fadio anefa ny mivily lalana
Aoka ho tadidinareo hatrany ny anatra nomeny

Mety tsy lavorary angamba ireo fitaizanay
Olombelona ihany izahay ka mety tsy ho tanteraka
Ka ireo zava-dratsy ataovy afo lavitra kitay
Fa ny soa sy tsara hatrany no tazony mba hipetraka

Ho avy ny andro izay mety hahasolafaka
Tsarovy anefa fa any misy Ray tsy mba mandao
Ilay Jesosy be fitia mpamindra fo sy mpanafaka
Izy no Itokio fa tsy hanadino anao
--------
Rohy:
Sokajy : fananarana
1285 0
Hevitra mandeha
hjravs ( 08/05/2015 09:01)
Misaotra, Dada amin'ny anatranatra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ANDRIAMANANTENA Solofo Jaona
Nampiditra : hasinamanambina
Daty : 08/05/2015 08:18
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101