Tafiotram-pofon'aina (Andrimaranitra)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inay aho notorotoronina
Mari-koditra sahady vao noforonina
Irony nofo nitafy irifiry manala
Tangena mangidy no namakivaky izany ahitro mazàna
Setrasetra tsapako nampandriaka ny lanitr\'ilay nifonosako mafana
Tontolo mangana anaty no nihafiako nozakain\'ilay reny malala.

Injay aho niporitsaka hoe handositra ilay fiereko
Fa toy ny nasisika hitampody amin\'ilay fefy tsilo tsy notefeko
Nosedraiko ihany ity haizina, aho tsy hiamboho adidy
Hinia ihany aho hiaina tsy hampitombo kapoaka mangidy.

Inay aho nosalorina fitafy hisorohana fanala mifafy
Fa toa teny mahery mifandrombaka, fitiavan-tena mifandrafy
Zirizirin-tsaina miharo safoaka-pilàna manandevo, vaika mafy.

Injay aho naroroka niaka-batana
Nalady nahaleo-tena nitodi-damosina ireny tantana
Nefa zary niantsangory an-tampon-tsanga ny fala-dia maloto
Teha-maina no namelaka ahy tampoka nietry tanaty safotofoto

Nitady nijery izay lalan-kombana aho handosirana
Ny masoko mihitsy no nofafazanao vovoka tan-kodimirana
Ny fofon\'aiko nisavorivory nahasempotra ahy nitora-mena
Ny molotro nilanja takaitry ny ra mandriaka menamena

Badenina ny sofiko tsy nahare akory izay hiakako
Hiaka fahatany tsy niantrana akory na naratra aza ny bikako
Rovidrovitry ny tsilom-by nandranindranitra ny taolako
Tsapako hiato izany foko tsy mahavatsy irony taovako

Tafiotram-piainana, tadiom-pitia
Inay aho nitsiky nilongotra ianao
Injay ny fiainako mikiky nitambontsotra ianao
Masoandro amam-bolako indray izao no ondry very ka nania.
--------
Rohy:
Sokajy : Ady
1406 0
Hevitra mandeha
pseudofanja ( 10/11/2005 16:37)
ndry, mampalahelo ahy ilay tononkalonao, sady hainao tsara ny nandrafitra azy, tsara fa tohizo.
Andrimaranitra ( 29/05/2023 22:39)
Mankatelina tompoko
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142