Ny orokao mamy - Andrimaranitra
Azo vakiana?
Raha vao inay ny molotrao milatsaka imolotro
Tsapako miainga ho azy mialoha aloha ny ilan-tongotro
Mamihina ahy mafy moa ny tananao sady manoroka mikipy
Izaho koa mankafy mitsetsitra ny lelanao malefaka manify.
Na tsy manoroka ahy aza ianao nefa
Ny tsikinao no tsapako mazana oroky ny fanahiko anatiko miantefa
Asa izay tsiambaratelonao fa ny masonao amiko toy ny tangena
Tsy mangidy na koa mahafaty fa manaitaitra indray aza ny vatan-tena.
Ry ilay Andriambavilanitra tsy foiko
Ilay andriambin'ny foko.
Rindra - 09 Martsa 2014 - 2 folakandro sy fahefany
Sokajy :
ahy, Aingam-panahy, embona, Eritreritra mandalo, fanantenana, fiainana, Fifaliana, Fitiavana, Hanina, Malalaka, tantara
Hevitra mandeha
andrysecabi (09/03/2014 13:18:14)
Mombamomba
Mpanoratra : Andrimaranitra
Nampiditra : andrysecabiDaty : 09/03/2014
Mpamangy : 2134
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Velona foana IzyTsy maty fa matory
Alok'ilay olona...
Alok’ilay olona
Toy ny...
Toy…
Aleoko ho nofy
Haitso Haitso fofon'aiko
Haitso Haitso fofon'aiko
Mahery ny fitiavan'i Jesoa