You are here: home > Vetso

ATAOVY TOY NY TANY AMPIANDOHANA - Rasamindrakotroka Andry Tiana

Azo vakiana?

ATAOVY TOY NY TANY AMPIANDOHANA

Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Irony fiarahana amin’olon-tianao.
Tena tsotra sy madio, tsy isalasalana,
Ilay fitia nitsiry tao am-po hatram’izao.

Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Ny teny sy ny tsiky eo imolotrao.
Mahatehotia, tena mahasalama,
Mandeha ho azy koa ny zavatra atao.

Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Ny sangisangy, ny zavatra fanao.
Na mafana ny andro na koa mamanala,
Tsy hiova mihitsy ary tsy ho lao.

Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Tokam-po toy ny siny hatram’izao.
Any am-piasana na ao an-tanàna,
Hifampiantso hoe: “F’aiza ianao?”

Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Ny adiadiady kely maro mora hadino,
Tsy ho tra-maraina ary mora hialana,
Hanimba mantsy, mety tsy hampino.

Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Hifampierana hatrany ny zavatra hatao.
Ho tena mafy orina toy ny lalàna,
Ilay tokantrano mamy izay naorinao.

Ataovy ho toy ny tany am-piandohana,
Ny fitadiavana  ny vady andefimandrinao.
Tsy andry mihitsy ‘zay hifankahitana,
Eny satry foana hihaona izao dia izao.

Ataovy toy ny tany am-piandohana,
Ny fivavahanao ho an’ny olon-tianao.
Ho lavitra azy foana ny asan’i Satana,
Ho sambatra hatrany izy sy ianao.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
21 Febroary 2017

Hevitra mandeha

s19andry5851 (04/06/2017 08:07:01)

Ankafizo dia zarazarao raha tianao !