ERITRERITRA RIRININA – (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i Lounih Rasamin
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandeha ny ora sy andro,
Toy izany koa ny volana,
Mivadibadika eny ny taona.
Be ny sento mivoaka ao anaty,
Eo am-pitanisana ny olana;
Mitaky asa tena mivaingana,
Tsy voafetra ny amin’ny anio,
Ho tohizina koa mandra-maty.

Miandry, eny, miandry foana,
Izay mety ho fiovan’ny tontolo;
Tsy hita manangasanga,
Izany hoe fivoarana izany.
Na itodihana ny fotoana lasa,
Na mibanjina ny ho avy impolo,
Mbola eto manantena ihany,
Tsy hisian-tsento sy tomany.

Leo ny miandry foana anefa,
Sady malahelo, mitoloko,
Sasatra ny manantena lava,
Ny “andry” indray no olana.
Mitohy isanandro vaky izao,
Ireo fahadisoana maro loko,
Tsy misy fitondrana akory,
Na fandrosoana vahaolana.

Inona ary no mety sy tsara,
Hatombotsika dia hirosoana;
Mety hiatrehana sy handresena,
Izany zava-misy rehetra izany.
Aleo angamba miasa mafy,
Hisian’ny tena fandrosoana;
Andriamanitra tsy andrin’ny hafa,
‘Ndao ekena, andrintsika ihany!

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
07 May 2016
--------
Rohy:
1891 5
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 12:00)
Fafaos19andry5851 ( 25/03/2023 11:46)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2891