FA NAHOANA LOATRA RE? - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
FA NAHOANA LOATRA RE?
Fa nahoana loatra re, mampanontany tena,
Ny zava-mitranga, eo anivon’ny Firenena?
Nihamaro, nisesisesy tsy nanam-pitsaharana,
Ny herisetra, loza nampanidy varavarana.
Fa nahoana loatra re, na antoandro na alina,
Tapaka ny jiro rano, manery ho malina?
Ny mpiasa tsy miasa, mpianatra tsy mianatra;
Ny zavatra iainana tokoa tena mampianatra.
Fa nahoana loatra re, miakatra ny vidim-piainana,
Mikorosy ny zava-panao sy foto-pisainana?
Izay noheverina ho ratsy indray no ekena;
Lasa Sodoma sy Gomoro, mampanontany tena.
Fa nahoana loatra re, ny sehatra politika,
Nanadinona vahoaka, miaina ao anaty solitika?
Manjaka ny risoriso amin'izay rehetra hatao;
Ny noheverina hanitsy koa aza anie manao.
Fa nahoana loatra re, no be ny ronono an-tavy,
Rehefa mandresy lahatra ny lahy na vavy?
Manararaotra sy mamitaka ny vahoaka;
Manome vary iray lovia, dia milefa mitsoaka.
Fa nahoana loatra re, no misy ny rivo-mahery,
Arahan'ny tondra-drano? ka maha-voatery,
Hanao androroso, miandrandra fanampiana,
Satria potika ny fambolena sy fiompiana.
Fa nahoana loatra re, no misy fitsaram-bahoaka?
Aza voatondro ihany, fa tsy afaka mitsoaka.
Tsy itokisana ny fitsarana, fitandroana filaminana.
Aiza ny fihetsika no tsy ho lasa mivilana!
Fa nahoana loatra re, maro ny mivavaka tsara?
Manondrika ny lohany eo anoloan’ny alitara,
Mitalaho isa-maraina, mandohalika isan-kalina,
Mifamela heloka, sy mifady hanina.
Fa nahoana loatra re, sao sarin’ady ihany?
Imolotra fotsiny, toa zava-maro eto an-tany.
Ka ilay Nosy be harena be mpanontany,
Nokilasiana ho mahantra tsy misy ohatra izany.
Fa nahoana loatra re, tokony samy ho vonona?
Hanavotra ity Firenena ary samy hitolona,
Ka iray ihany ny zava-kinendry sy ny tanjona :
FANDROSOANA hampitolagaga sy hahatalanjona.
.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
12 Febroary 2017
Hevitra mandeha
s19andry5851 (04/06/2017 08:07:45)
Mombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 12/02/2017
Mpamangy : 1507
Mankafy : 5
Tononkalo hafa
FITOPOLO TAONA ANDROANYZOKY SY ZANDRY
DADABE SY NENIBE
HOY IANAO
MILA TONGA SAINA!
MANINONA HOY AHO?
NY RARINY SY NY HITSINY
EMBONA AN’I DADA
TSIARO AN'I NENY
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA