FITOHANAN'NY FIARA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa mivoaka isanandro, na hiantsena na hiasa.
Na ny maraina io, eny, ka hatramin’ny hariva.
Ho an'ny mpisotro ronono, na ireo amperinasa.
Ny fitohanan'ny fiara, misy olana foana mandrakariva.

Tsy mitsaha-miakatra, ny solika fampiasa lany.
Ny fiara mora simba, "première" lava izao.
Any anaty fitohanana, mifampiantso manontany;
Fa misy inona ao? Tara ny fodiana, ny fidirana birao.

Tampotampoka eo, misy fiara tsy fantatra avy aiza?
Mandefa anjomara jiro, manavatsava sy misongona.
Ny mpisava lalana manosika, toa zaza ratsy taiza;
Arahim-piara hafa, miraikitra toa kongona.

Ny olona rehetra anie, maika amin'ny fiainany avy.
Samy miaritra sy mihafy, amin-java-misy eo.
Tokony hifampitsinjo, hifanaja, toy ny mpianakavy.
Tsy hifanafintohina, tsy hanao izay mankaleo.

Eo vao tsapa hoe ahoana, maninona no misy foana?
Tsy misy vahaolana, ny fitohanana eny rehetra eny.
Moa tsy vahoaka ihany no miaina io mandavataona.
Fa na sefo be na sefo kely, tsy voakasik'izy ireny.

Rehefa dinihina, jerena ny mahatonga fitohanana:
Fiara maro tsy manaja ny lalàn'ny fifamoivoizana.
Minia mijanona, manery sy mibahana.
Be ny azo ambara, fa aleo tsy hotohizana.

Manampy trotraka ny mpivarotra, eny an-tsisin-dalana.
Be vava, mafy loha, tsy manaiky fandaminana.
Ny gaboraraka mitohy, matetika na koa mahalana.
Mba atoro, mba tenenina, indreo fa manao dikavilana.

Ny mpandeha an-tongotra, tsy mba misy manabe,
Mandeha tsy amin-tahotra, miresaka, mihomehy,
Misonanina, miadana, tsy rototra afovoan'ny arabe.
Ny sarety, ny rambaramba, efa ela no tsy voafehy.

Raha miezaka mijery ny tompon'andraikitra;
Ka mandroso vahaolana, tsy hisian'ny fitohanana.
Mitsangana ny fahavalo, manaratsy toa hanaikitra.
Izy ireo anefa, raha dinihina, tsy manam-bahaolana.

Ireo politisiana, ireo hainoaman-jery koa no olana;
Tsy mitsaha-mampirisika, ary tia mamendrofendro.
Adino ilay maha mpanabe, tsy mitondra vahaolana.
Tsy mihaino, tsy mandinika, lasa mpandray an-tendro.

Eo no azo itarafana, ny fomba nitaizana ny tsirairay.
Mba nobeazina hifanaja? Mba efa vory saina?
Ka mahay mitondratena, sa mbola fihetsi-bemiray,
Sa manambonimbony tena, lehibe tsy aman-tsaina?

Raha jerena, dia tsy misy afa-tsy fanabeazana ihany;
Ifandrombonan'ny rehetra, izay efa mahatsiaro tena.
Ny fanajana ny lalàna, ho an'ny ambony sy ambany.
Ary samy hiezaka ny tena, hampandroso Firenena.

Andry Tiana RASAMINDRAKOTROKA
04 Marsa 2018
--------
Rohy:
1165 5
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 07:29)
s19andry5851 ( 25/03/2023 07:08)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152