You are here: home > Vetso

HAFATRA AMPITAINA ... - Rasamindrakotroka Andry Tiana

Azo vakiana?

HAFATRA AMPITAINA

Ravorona iry ô  handeha ho aiza izato ianao ?
Mivikavika vao maraina  toa maika izato izy.
Ny fikopakin'ny elatrao  toa mira angorodao ;
Milamindamina aok'izany  tsy iaran'ny kirizy.

Ravorona iry ô  mba ho hafarako ange ianao !
Hitondra hafatra kely  hampitaina any ho any.
Ho zarazaraina eny an-dàlana  asa ny hevitrao ?
Fa  mety  mahasoa  ny mponina eto an-tany.

Ravorona iry ô  izao ilay hafatra hampitaina :
Dia  ny mba  hifankatiavan'ny  olon-drehetra ;
Mba tsy hifamono  fa lahitokana anie ny aina !
Ka tokony ho kajiana amin'ny fotoana rehetra.

Ravorona  iry  ô  mba  hampitao  any  koa re,
Ny hitandroana mandrakariva ny fahamarinana,
Toy  ny anakandriamaso  hoy ny  teny  fandre ;
Ka hiezahan'ny rehetra tsy hanao dika vilana.

Ravorona iry ô  mba lazalazao any ny fifanajana,
Eo amin'ny olon-drehetra  hita eny rehetra eny ;
Taratry ny toetra tsara an-trano, ankalamanjana.
Indrindra  ny  fanoavana   ireo  ray  aman-dreny.

Ravorona iry ô  tsy hadino ny fahazotoana miasa ;
Mba  hisian'ny  fivoarana  eo  amin'ny  Firenena.
Ary mba ho tanteraka daholo  ny zavatra kinasa ;
Amin'izay angamba  vao  hisy ny  fahaleovantena.

Ravorona iry ô  ny hafatra farany tsy  fanadino :
Dia ny mivavaka mafy amin'Andriamanitra Ray ;
Miasa  foana  mantsy   anefa  mety  ho hadino,
Raha  tsy ambinin'i Tompo ka eo  vao  angaihay.

RASAMINNDRAKOTROKA Andry Tiana
18 Aprily 2019

Hevitra mandeha

s19andry5851 (19/04/2019 10:22:35)

Maro ny hafatra tiana ampitaina, mba hirindra tsara ny fiainana andavandro, eo ambany fahasoavan'i Tompo !

s19andry5851 (15/07/2019 03:58:27)

AZA HADINO ny manindry ny "ANKAFIZIKO" raha tianao !
Misaotra Tompoko !

s19andry5851 (15/07/2019 03:58:34)

AZA HADINO ny manindry ny "ANKAFIZIKO" raha tianao !
Misaotra Tompoko !

s19andry5851 (15/07/2019 03:58:34)

AZA HADINO ny manindry ny "ANKAFIZIKO" raha tianao !
Misaotra Tompoko !

Hametraka hevitra

Midira aloha