IANAO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao, olon-tsotra,
hita teny rehetra teny ;
vitan-tsiky tsy ankiteny.

Ianao, mpiara-monina,
mifankahita isanandro,
maraina, hariva, antoandro.

Ianao, namana tsy foy,
toy ny rano sy ny vary,
tsy mifandao tsy mifanary.

Ianao, iray tampo, iray aina,
kitapo iray no nifonosana,
dobo iray no nilomanosana.

Ianao, ray sy reny nikolokolo,
namelona, nanabe, nahatafita,
mendri-piderana nahavita.

Ianao, zanaka aman-jafy,
reharehan-dray aman-dreny,
tantarainy ombieny ombieny.

Ianao, vady andefimandry,
eo foana amin'ny fotoan-drehetra,
amim-pitiavana tsy misy fetra.

Ianao, teny mifono hevi-dalina,
na ho an'ny akaiky na ny lavitra,
teny mivoy zava-mahafinaritra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
17 Aogositra 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
859 4
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 17/08/2024 21:33)
Ianao, teny isan'ny fampiasa matetika. Teny mametraka ny olona iray amin'ny toerana misy azy, manaja fa tsy manevateva
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015