You are here: home > Vetso

INY RAOZY MENA INY - Rasamindrakotroka Andry Tiana

Azo vakiana?

INY RAOZY MENA INY

Iny ilay raozy mena iny,
Izay natolotra ho anao;
Vao niotazana maraina.  
Tsotra, meva, tsisy tsiny,
Anefa tena tsara kalitao,
Mambabo fo sy saina.

Raozy fambara fitia,
Singa tokana ihany.
Mitondra hafa-dehibe,
Tamin'olon-tena tia;
Matotra, tsy be vinany,
Amin'izay rehetra aleha.

Raozy mena tsara fantina,
Tanatin-draozy maro.
Miavaka ao ny hakantony,
Manitra e, sady mandina.
Diniho akaiky dia fantaro;
Ny fanahiny sy ny haavony.

Raozy iray izay voatahiry.
Nijanona kanto, tsara foana.
Anaty takelaka baiboly iray;
Toy ny fitiavana vao nitsiry,  
Niha lehibe mandava-taona;
Tena lalaina mandrakizay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Desambra 2018

Hevitra mandeha

s19andry5851 (07/04/2019 23:06:53)

Atolotra ho an'ny mpifankatia rehetra, na ny efa manana tokantrano, na koa ireo rehetra eo andalam-piarahana, na ireo efa amin'ny firosoana amin'izany !