MAHALASA FISAINANA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahalasa ny fisainana, ity Madagasikara.
Raha avadibadika, dinihina, ny rakitra tantara.
Be ny mifamahofaho, be tokoa ny azo ambara.
Saonjo iray lohasaha, be koa ny mamarara.

Tamin'ny andro taloha, mandry, milamina ny tany.
N’aiza n’aiza aleha, tsy misy tahotra, na tomany.
Ny fisainana tena avo, tsy mirefarefa ambany.
Ny fiarahamonina, tsy mba misy ohatra izany.

Ny ray aman-dreny, voahaja, andry mibata vovonana.
Ny zoky toa ray, maha afak'olan-teny an-danonana.
Ry zandry mahaleo mahalasa, araka ny ohabolana.
Ny vehivavy an-trano, masoandro amam-bolana.

Soa ny andavanandro, kanto, mamerovero, manitra.
Manan-jato raha miantsena, ka tena salanitra.
Voky an-tokantrano, tretrika, efa ho takatra ny lanitra.
Miredona, midera, mankalaza an'Andriamanitra.

Ankehitriny kosa, tsy mandry, tsy milamina ny tany.
Noho ny herisetra, be ny maty, maro mitomany.
Ny fisainana aza, latsaka ambany dia ambany.
Ny andavanandro, mikorontana ambony ambany.

Ny ray aman-dreny tsy voahajan'ny ankohonana.
Ny zoky tsy ialohava-mandeha dia songonana.
Ny zandry mpilanja entana, mihevi-tena ho vovonana.
Ireo ravaky ny lalana, lazaina fa mitonantonana.

Ny andavanandro, tena sarotra, mampitaintaina.
Mba manana an'arivo miantsena, indreny fa mody maina.
An-tokantrano noana, na ny miasa mafy na ireo malaina.
Izay rehetra jerena, diavina, toa efitra sy karankaina.

Inona ary no hatao amin'izany rehetra izany?
Tsy misy mana avy any an-danitra, ny fiezahana ihany.
Hanova ny fisainana sy ny fitondrantena hatrany.
Hifanaja, hifampitsinjo, raha mbola tany koa ny tany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
14 Janoary 2018
--------
Rohy:
985 5
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 08:44)
s19andry5851 ( 25/03/2023 07:08)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107