MAHARENA TOKANTRANO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maharena tokantrano, teny mamy nozaraina,
Ho an’ireo mpifamofo, izay vao vita mariazy.
Tsodrano nipololotra, ho tsaroana tsy sandaina;
Satria manomboka eo, ho foana ny “ahy sy azy”.

Maharena tokantrano, tsy mitaky zava-maro;
Koloina hatrany kosa, ilay fitiavana hateza.
Tsy ho sodokan’ny akanga tia mifangaroharo;
Fa hiezaka isan’andro, ny tsy mety aleo meteza.

Maharena tokantrano, no hiezahan’ny rehetra;
Tsy hitsaba-kitsikera amin’ny saina lomorina.
Hahatanteran’ilay voady, tena aina no ho fetra ;
Ka ireo mpivady vao, no tena hifofotra hanorina.

Maharena tokantrano, ho an’ireo mpivady vao.
Teny tsy mandeha ho azy, fa mifono hevi-dalina
Hosaintsainina isanandro, satria fiainam-baovao,
Aorina manomboka eto, ka ilana saina malina.

Maharena tokantrano, homban’ny herin’ny Tsitoha;
Ka hiadana, hambinina amin’izay rehetra hatao.
Aza hadino ny mivavaka, rehefa hatory na hifoha;
I Jesoa no Vatolampy, andrin-tokantranonao.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
02 Septambra 2016
--------
Rohy:
2787 6
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 10:07)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016