MAHARI-PERY (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i Lounih Rasamin
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitaraina, mikamenona,
Fa mihamafy ny fiainana;
Tsy mitsaha-miaka-bidy,
Ny akora fototra iainana.
Ny fotoana koa toa fohy,
Tsy ampy hisaintsainana;
Hany hery, dia milefitra,
Ao anaty fitaintainana.

Tampotampoka eo anefa,
Tonga ny mpanararaotra;
Manentanentana ny olona,
Mambosy azy mba hitroatra.
Raha ny zava-misy moa,
Tena latsaka ambany loatra;
Na aiza na aiza no aleha,
Efa miaina ambany foitra.

Mahamenatra ny mandre,
Anaty tambazotra ireny,
Fa i Madagasikara, hono,
Mahantra ary novoleny ;
Novolen’iza kosa anefa?
Hoy ireo mpanandra-tena;
Moa tsy ny fahavalo anatiny,
Mpamaroboba Firenena?

Mahatsiarova tena, mijoroa,
Mihenjàna toy ny hasy;
Ny fandrosoana izany tsy hisy,
Fa hangaina eo, hangasihasy.
Misikina fahasahiana, hijoro,
Hihoitra, ary tena hihafy;
Inoana ianao fa hirehareha:
“Izaho tena MALAGASY!

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
15 May 2016
--------
Rohy:
1908 6
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 11:47)
Fafaos19andry5851 ( 25/03/2023 11:46)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145