MANINONA HOY AHO - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
MANINONA HOY AHO
Maninona hoy aho, no tsy mety mandroso,
Ity Firenena manankarena, tena lasa androso.
Mahatonga saina lalina ny mandinika izany ;
Satria efa lavo, eny mitrosina amin'ny tany.
Maninona hoy aho, izay nomena fahefana,
Niova sy nivadika, ny nanohana no dakana.
Fihetsik'amboadia mitafy hodi-janak'ondry ;
Ka ilay safosafo, toa nivadika ho totohondry.
Maninona hoy aho, rehefa itodiana ny taloha,
Ireo herim-pamoretana, navoaka hamaky loha,
Nanapoapoaka grenady, sy nitifitifitra basy,
Ny vahoaka mahantra, no vonoina toa parasy.
Maninona hoy aho, eny maninona foana re ?
Ny maso no tapenana, ny sofina tsy mandre ;
Mba hijery mahitsy, sy hihaino ny fitarainana.
Rehefa dinihina lalina, tena lasa ny fisainana.
Maninona hoy aho, isika manana andraikitra ;
Andao ahiratra ny maso, fa tsy avela hiraikitra.
Sokafana koa ny sofina, mba ho aheno tsara.
Jerena ireo vaha olana, dia ny mbola tsy tara.
RASAMINDRAKOTROKA Andry
19 Febroary 2021
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 19/02/2021
Mpamangy : 116
Mankafy : 4
Tononkalo hafa
HOY IANAOMILA TONGA SAINA
NY RARINY SY NY HITSINY
EMBONA AN’I DADA
TSIARO AN'I NENY
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA
ILAY MBA FAHAIZANA KELY
ANDROM-PAHANTERANA
NY RAY SY NY RENY
HIHIRA AHO HO ANAO