MBOLA HO AVY ILAY MARAINA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Betsaka no kivy ny vahoaka Malagasy,
Am’ireto zava-misy ka lasa toa mangasihasy.
Tsy manan-kery intsony, hany sisa tanam-polo,
Iatrehana mosary, kolikoly, herisetra sy bontolo.

Mihasarotra hatrany anie izany fiainana,
Hazakaza-dava tsy misy mba hisainana.
N’aiza n’aiza aleha fahasahiranana no hita.
Irony zava-tsotra aza mety ho ela vao vita.

Ny vidin-tsolika tsy mitsaha-miakatra;
Ny vidin-jiro sy rano mila tsy ho takatra.
Ny vary izay tena sakafo no lasa haitraitra.
Ny fanafody zary mangidy sady mafaitra.

Irony anana fividy, fanao fangaron-daoka,
Izy indray izao no nivadika, lasa tena laoka.
Ny voankazo koa niova, lasa aingitraingitra,
Tena mampihivin-doha mova tsy vinaingitra.

Ny fandriampahalemana, tsy lazaina intsony.
Ny toe-tsaina simba, ny fo feno lonilony.
Raha atao indray mijery maloka e ny tontolo;
Izay tazanina indrisy, mampitsangam-bolo!

Soa mbola miahy ilay Andriamanitra nahary;
Hitokisana, hanavotra, hitahy ity firenena marary.
Ka ho afa-tsento fa "MBOLA HO AVY ILAY MARAINA"
Ho nofinofy ratsy ihany sisa ilay Nosy karankaina.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
27 Febroary 2018
--------
Rohy:
1731 5
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 07:31)
s19andry5851 ( 25/03/2023 07:08)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0765