MIORENA TSARA AZA MIOVA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ny zava-miseho mandrirotra amin'ny fiainana;
mampiroroa saina mety hanozongozona fisainana.
Tsy hanara-dalana mahitsy voasoritra hizorana;
raha izany, tsy ho afaka mihitsy ny fatorana.

Tokantrano maro simba noho ny akanga tsara soratra,
miezaka handrava mandady toy ny sokatra;
mampiasa angolangola sy fitaka madinika,
ho potraka, ho lavo raha tsy miezaka mandinika.

Fihavana-maro rava noho ny fomba tsy voatandrina;
na fiteny tsy voahevitra midona an-tampon-kandrina;
fitafy tsy mba maotina handratra fo sy saina;
ilana hofehezina na teny na fitafy ampiasaina.

Eny an-toeram piasana misy fakampanahy,
misintona hitondra amin'ny fihetsi-mampanahy:
ny tsy fanajana asa, ny risoriso, ny halatra,
mampisitri-belona, tsy hifanena amin'olom-pantatra.

Be ny zavatra-mandavo amin'izao tontolo izao,
rendrarendra maro, famitahana, “be lazao”,
manintona an-kady, tsy ho tafavoaka intsony,
ho lasan'ny maizina ny fiainana anjakan-donilony.

Koa miorena tsara aza miova ao an-tokantranonao;
miorena tsara, aza miova, izay mendrika atao;
miorena tsara, aza miova, teny maotina ampitaina;
miorena tsara, aza miova, fitafy tsara ampiasaina.

Miorena tsara, aza miova, ny asanao sahanina;
miorena tsara, aza miova, aleo matihanina;
miorena tsara, aza miova, hitraka, mahatehotia;
miorena tsara, aza miova, mandrakizay doria.

Miorena tsara, aza miova, hazony ilay finoana;
miorena tsara, aza miova mandra-pahatongan’ny fotoana;
miorena tsara, aza miova, mba mazotoa manompo;
miorena tsara, aza miova, miara-dalana amin'ny Tompo.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
12 May 2019
--------
Rohy:
1396 6
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 05:57)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
hery ( 04/08/2023 22:05)
Tsy mandeha ny antsa amin'ity tononkalo ity
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0665