MIREFODREFOTRA TOA VARATRA (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mirefodrefotra toa varatra,
Ny tabatabam-pitarainan'ny vahoaka Malagasy,
Zary mangasihasy.
Noho ny fahasahiranana, ny vidim-piainana miakatra,
Mila tsy ho takatra.

Mirefodrefotra toa varatra,
Ny fihanaky ny tsy fandriampahalemana,
Irina handry fahalemana.
Ny firoborobon'ny fahalovana, toa afo-mololo,
Sy letrezana bontolo.

Mirefodrefotra toa varatra
Ny fibosesiky ny fisolokiana, ny tsy fahamarinana,
Tena manahirana.
Hiandrandrana vahaolana, ny tsy hiverenany intsony,
Fa mampalonilony.

Mirefodrefotra toa varatra,
Ny fampiakaram-peo, mba hisian'ny fanovàna,
Ny Nosy ho Kanàna.
Ka ho hita taratra, ny fampandrosoana tena izy,
Lavitry ny kirizy.

Mirefodrefotra toa varatra,
Ny sentosentom-pitiavan-tanindrazana,
Tsapan'ny mpitazana.
Araham-panentanana, fankaherezam-piraisankina,
Ahatratrarana ny vina.

Mirefodrefotra toa varatra,
Ny fidoboky ny baomba mandatsa-dranomaso,
Nalefa hanao ankaso.
Atsipy toa tsipoapoaka, anaty olona milamina,
Maratra, sempotra sy fanina.

Mirefodrefotra toa varatra,
Ny fijojon-dranomaso, an-tava mikoriana,
Vontom-pahoriana.
Fafana moramora, amin'ny vohon-tanana mangovitra,
Ny akanjo rovidrovitra.

Mirefodrefotra toa varatra,
Ny fidobodobokin'ny fo, any anaty tratra any,
Arahin-tsento sy tomany.
Mahita vahoaka marobe, tena miatrika ny mafy,
Totohondry, vody basy.

Mirefodrefotra toa varatra,
Ny hikiakam-pitoloman'ny Malagasy tonga saina,
Tsy voavidy, tsy sandaina.
Mandeha tanam-polo, miroso mora, mihorakoraka,
Tsy matahotra mpitoraka.

Mirefodrefotra toa varatra,
Ny antsoantson'ny vahoaka hoe "izao dia izao",
Ny hetsika atao.
Fadio ny mandratra, ny mamono, ny mandatsa-drà,
Raha tsy te-hahita raha.

Mirefodrefotra toa varatra,
Ny tolom-panafahana, tafalentika ao am-po,
Tsy mety lo.
Arahana vavaka sy hira, miredona manaka-danitra,
Ho ren'Andriamanitra.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
09 Novambra 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana - Fiainana
437 4
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 09/11/2023 18:59)
Tsindrio ilay fo mainty io raha tianao ny tononkalo. Misaotra anao !

Appuyez sur ce coeur noir si vous appréciez le poème. Merci !
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147