MISAOTRA ANAO RY TOMPO! (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao mifoha iny aho isa-maraina,
Mahita ny tana-masoandro miposaka;
Manavatsava amim-pahasahiana,
Ato an’efitry ny trano natoriana.
Mivimbina arahaba entina ho zaraina;
Mitondra herijika maro lafy hatosaka.

Ny singa voalohany tonga ao an-tsaina,
Dia ny mitsaoka an'i JesoaTompo;
Niaro sy nitahy nandritra iny alina iny,
Amin'ny loza maro fahita ankehitriny.
Ka mbola nofohaziny isan'ny velon'aina,
Eo anivon'ny natiora hanaiky sy hanompo.

Ny dera, laza, hery, haja, anie no atolotra,
Ho an'Andriamanitra telo izay iray;
Noho ny fitiavany lehibe tsy misy fetra,
Nozarainy mitovy ho an'ny olona rehetra.
Miampy sitraka feno mivoaka ny molotra;
Ho Azy anio, ampitso ary ho mandrakizay.

Harahina, hohajaina mafy anie ny didy folo;
Sy ny fitiavana ny namana toy ny tena ihany.
Halaviri-marin-drano ny manao kolikoly,
Sy ireo fandrika velarin'ny devoly.
Dia ny tsara ihany no hameno ny tontolo;
Eo ambany fitahian'i Jesoa Kristy hatrany.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
07 Jona 2019
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Fiderana - fiainana
1608 6
Hevitra mandeha
katrynah ( 13/01/2020 17:54)
Slt daholo tena mety be le tononkalo fa zah mba omeo ny numero anio mpanoratra io, ilaiko amni fenarako manko le izy raha sitrakao ry s19andry5851
katrynah ( 13/01/2020 17:54)
Slt daholo tena mety be le tononkalo fa zah mba omeo ny numero anio mpanoratra io, ilaiko amni fenarako manko le izy raha sitrakao ry s19andry5851
s19andry5851 ( 25/03/2023 05:54)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148