NY FIAINAN-TOKANTRANO (Rasamindrakotroka Andry Tiana)

Nantsain'i s19andry5851
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mihodina hono ny tany, toy izany koa
ny ora, ny andro, ny volana, ny taona.
Mitamberina ao an-tsaina
ny fiainana nodiavina tao an-tokantrano.
Nisy fitsapana maro, tsy voatanisa
analin-kisa, tena nampiteny ny moana.
Niravina ihany izany, noho ny fiarahana
nisedra, mba tsy hidiran’ny angano.

Na mafy aza anefa ny fiantraikan’izy ireny,
Nety nandavo, tsy namela hitraka;
Ny herin’ny fitiavana, izay voakolokolo
nanery hiarina hiatrika, nahafaha-nisedra
ny zava-drehetra nety ho nisy sy niseho;
Mba tsy hisy ranomaso mety tsy ho zaka.
Ka ho fifaliana foana ny fiainana ao anaty
tokantrano, izay tsy natao kisendrasendra.

Na nisy andro maro tsy mba natoriana,
sy nandriana fotsy, tena mafy, eny, ekena.
Nijoro tsy nilavo lefona, fa nitraka hatrany,
tsy nalaim-panahy, ka nanaiky ho resy.
Izay no ilazana, nahatsapana fa nahomby
ny fiainan-tokantrano, tsy mba noterena;
Ka ny fandresena azo norefesina omaly,
Hotohizana anio sy ampitso mba hisesy.

Ny vokatra no tsara tsy tokony ho hadino,
avy amin’ny seraseran’ny mpivady.
Iaraha-mandinika ny olana sy vahaolana
isanandro, ahafahana miroso sy mandeha,
mamakivaky ny fiainana be fandripandrika;
mba tsy ho tafintohina na hivarina an-kady.
Raha misy ny fifanajana sy ny fikirizana,
ary ny fahamalinana amin’ny làlana aleha.

Na izany na tsy izany, dia tena ilaina foana
ny mitandrina, satria maro be ny fahavalo;
miezaka isanandro handavo sy hamingana,
misaina hamotika, ny saina koa lomorina.
Ny hery sy ny toky anefa, eo hatrany ilay vady
andefimandry, tsy niserana toa mpandalo;
Fa niara-dia tsy niato, niaraka namakivaky
ny fiainana, satria ny tokantrano miorina.

Ny fiainan-tokantrano, raha dinihina, jerena,
dia fiainan'olon-droa, otronin’ireo zanaka;
Mandra-pahatongan'ny fotoana hahatafitana,
Hanombohan'ny tena fahaleovantenan’izy ireo.
Dia miverina indray amin'ny fiainan’olon-droa,
Na maro mameno ny tany aza ireo taranaka.
Ka hianoka ao anaty tontolon-kasambarana,
Lavitra olana, alahelo, toloko sy toreo.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
10 Desambra 2016
--------
Rohy:
1573 6
Hevitra mandeha
s19andry5851 ( 25/03/2023 10:05)
AZA HADINO NY MANINDRY ILAY FO EO AMBONY IO MANAMARIKA NY FANDALOVANAO.
MANKASITRAKA TOMPOKO, SAMY HO TAHIAN'NY TOMPO HATRANY ISIKA !
Professeur Andry RASAMINDRAKOTROKA
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0164