NY FIAINANA FANETREN-TENA - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
NY FIAINANA FANETREN-TENA
Mahavariana rehefa mandinika,
Ny zava-misy andavanandro;
Mandeha ho azy, toa voromanidina,
Ny teny atao amin'olo-madinika,
Mivoaka ny vava, maraina, antoandro.
Teny mandratra, tena mampidina,
Ny "moraly" efa latsaka ambany;
Tsy ilazana, mitrosina an-tany.
Maro ny miseho ho manan-tsaina,
Mihirahira am-pitenim-bazaha;
Tsy mitsahatra manambony tena,
Mihevitra ny hafa ho tsy misy saina,
Tena faraidiny, tsy fanao fampitaha.
Ka ny mahantra sy mananotena,
Tokony halavirina hono tsy hifangaro,
Fa avela hijanona hanao tagnamaro.
Anatin'irony tambazotran-tserasera,
Fampiderana fiainan-tonga lafatra:
Sakafo, trano, fiara, antapitrisa,
Mandatsa, manetry ny tsy misy afera,
Hita sahirana, tsy nety tafakatra,
Ho isan'ireo mpampihinana sisa;
Nijanona nokilasiana ho isan’ireo balita,
Miandry fangorahan'ireo any ampita.
Ilaina dinihina sy eritreretina ihany,
Ny teny rehetra, sy fihetsika atao;
Mitera-pahoriana, alahelo ao am-po,
Ny zava-misy amin'ny fiainana an-tany,
Ho an'ireo mahantra, tsy manan-katao,
Satria any am-parany samy mbola ho lo,
Ka aleo re miaina amim-panetren-tena,
Ny maina anio anie, rahampitso ho lena.
FEHINY
Izay manetry tena tokoa no asandratra;
Amin’izay ny rehetra tena ho sambatra.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
03 Janoary 2020
Mombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 13/01/2020
Mpamangy : 842
Mankafy : 6
Tononkalo hafa
LALAM-PIAINANAINY TSIKINAO INY
HIARAKA ISIKA HISIDINA ANY HO ANY
SAINTSAINO KELY FA ...
NANKAIZA HONO NY OLON-TETY
FITOPOLO TAONA ANDROANY
ZOKY SY ZANDRY
DADABE SY NENIBE
HOY IANAO
MILA TONGA SAINA!