You are here: home > Vetso

NY FIANARANA - Rasamindrakotroka Andry Tiana

Azo vakiana?

NY FIANARANA

Mianara anaka dia ny mbola malaina,
Fa rehefa mazoto tsy afaka intsony.
Anatra  omen’ny  ray aman-dreny ;
Hatolony ho an'ireo taranaka tsy foiny.
Mba hananan’izy ireo fahavononana,
Hiatrika sy hamakivaky ny fiainana ;
Eto  amin’ity  tany  fandalovana,
Mitady handavo, tsy misy hisainana.

Iaraha-mahalala  fa  ny  fianarana,
No hahazoana ny  haitao  sy traikefa ;
Hilaharana  amin'ireo  olona  tafita,
Fa  tsy  hikilasiana  ho  mirefarefa.
Hahafahana miaina, tsy ho mahantra,
Fa ho  isan’ny  sambatra  sy tretrika.
No  hampandroso koa  ity firenena,
Izay indrisy, tsy mitsahatra milentika.

Ny fahaizana mantsy no akora fototra.
Hiaingana, ary hahafahana manorina ;
Firenena  iray   vanona,  mandroso,  
Sy milamina  ary  maha  te-honina.
Miampy singa iray tsy tokony hadino :
Ny famolavolana ny tena maha-olona ;
Tsy voakajy matetika rehefa manabe,
Ka ny tokony hilamina, lasa mitambolona.

Ny fianarana, azo lazaina raha  izany,
Ho  tena  lova  iray  tsara  indrindra ;
Tsara hapetraka amin'ireo taranaka,
Hananan’izy ireo  fiainana  mirindra.
Lova tena tsara  tsy  mety  lo, omaly,
Anio sy ampitso, ary koa mandrakizay.
Ka  hampianaro sy beazo ny taranaka
Hanana fahendrena, sy hifofotra hahay.

RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
12 Desambra 2017

Hevitra mandeha

sarindraravaloson (18/06/2020 10:12:50)

Ny fianarana no lova tsara indrindra

Hametraka hevitra

Midira aloha